hIsantarana ny taona 2026: Hamoaka ny “Aza mifanambany” i Désiré

“Aza mifanambany”, io no vazo vaovao noketrehan’i Désiré nandritra ny telo volana. Rakitsary sy feo isantarany ny taona 2026. Amin’ny ankapobeny, mpanakanto mi­voy ny gadona tropikaly ity zanak’i Mananara Avaratra ity. Narindrany amin’ny gadona “coupé décalé” ny “Aza mifanambany”. Fanatanterahana ilay hoe: “Ny mpanakanto no mpitondra ny hafatry ny va­hoaka, ny mpanakanto ihany koa no antony nanatanterahina azy ity », hoy i Désiré.
Nomarihiny fa tsy misy idiran’ny tara-kevitra politika ny « Aza mifanambany » fa fifanandrifian-javatra fotsiny ihany amin’ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny. Ho hita sy ho heno tsy ho ela eny amin’ireo haino aman-jery maro manerana ny Nosy ity vokatra vaovao ity. Noka­jiana fatratra ny maha mpanabe ny mpanakanto, raha ny fanazavany hatrany. Na izany aza, notazonina ny maha fialamboly ny hira sy ny mozika. Ho an’ny « Aza mifanambany », manokana, notazoniny hatrany ilay tononkira mahitsy, tsy miolakolaka, hoentina mampita hafatra ho an’ny rehetra.
Nambaran’i Désiré fa hitohy hatrany ny famoronan-kira. Havoaka anaty « album » na rakitsary ny fitambaran’ireny atsy aoriana. Efa azo dinihina ihany koa ny fanatanterahana fampisehoana amin’ny fotoana sy toerana mahamety izany.

Nanangona :
HaRy Razafindrakoto

Partager sur: