Imerimandroso: Jiolahy nanafika Cash point voasambotra

Nanambana basy kilalao sy antsy mpanao Cash-point, jiolahy iray voasambotry ny fokonolona sy ny zandary tao amin’ny fokontany Alatsinainy, kaominina Imerimandroso, distrikan’ Ambo­hi­dratrimo, ny zoma 13 febroary teo. Jiolahy roa lahy niditra an-keriny tao amin’ io toerana fikirakirana vola io, tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Tsy nisy fanazavana, nanery ny tompon’io hanome ny vola rehetra ireo mpanao ratsy. Niantso vonjy tamin’ny manodidina anefa ilay lasibatra. Tsy lavitra io toerana io rahateo no misy ny biraon’ny zandary. Nivoaka nanampy ireo nanatri-maso nijery ny zava-misy sy nandamina ny tranga ireto farany. Nandositra, nandritra izany, ireo roa lahy nandroba. Raikitra ny fanenjehana. Voasambotra tsy lavitry ny tanàna ny iray. Tafaporitsaka nandritra ny sakoroka ny namany, araka ny fanazavan’ny zandarimaria misahana ny fanadihadiana. Tsy nahazo na inona na inona ireo olon-dratsy noho ny fahatongavana ara-potoana nataon’izy ireo niampy ny fiaraha-mientana teo anivon’ny mponina ao an-toerana. Nentina natao famotorana ilay voasambotra ary nogiazana ny fitaovana nampiasainy.

Tsiferana R.

Partager sur: