Tonga any Toamasina mijery ny zava-misy ireo eveka tarihin’ny filohany, ny Mgr Raharilamboniaina Fabien. Nitondra fankaherezana ho an’ny kristianina sy ny vahoakan’iny faritra iny ny tenany. Niantso ny rehetra hitondra fanampiana sy fanohanana ho an’ny diosezin’i Toamasina ny fivondronamben’ny eveka noho iny voina iny.
Mampitandrina ireo rehetra manararaotra mangalatra ny fananan’ireo niharam-boina tamin’ny fandalovan’ny rivodoza farany teo ny lehiben’ny Etamazoron’ireo Tafika, ny Jly Pikulas Demosthène. Nitsidika ny foibe tantanin’ny BNGRC handrindrana ny hetsika ho fanohanana an’i Toamasina ny tenany sy ireo lehiben’ny hery fiarovana eo anivon’ny Tafika.
Nanolo-tanana amin’ny fanarenana sy fanadiovana an’i Toamasina ireo mpianatry ny oniversite, manerana ny faritra 23 na ny “Gen Z UM”. Mizara vary sy manampy ireo traboina izy ireo. Nankasitraka koa ireo nanome fanampiana izy ireo ary miantso ireo malala-tanana rehetra mba handray andraikitra amin’izao mahazo ny mpiray tanindrazana izao.
Sambany tafahaona ireo mpitolona nanohitra ny fitondrana nanongam-panjakana, taona 2009. Notanterahina teny Ambohimalaza izany. Nialohavan’ny fotoam-pivavahana ny fihaonana ary nitohy tamin’ny fifampizarana sy ny fampitana vaovao. Teo koa ny fanehoan-kevitra manoloana ny toe-draharaham-pirenena.




