VAOVAO TAMBATRA

Mitohy ny fanamboaran-dalana eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny asa, toy ny eny amin’ny lalana RR05 Ambohimanambola–Masindray. Vita ny «radier», mandeha ny fanaovana ny rarivato miaro ny fantsona fikorian’ny rano. Mandeha ny asa eny amin’ny vahilava Anosizato, Andohatapenaka, Ampasika, Andoha­tapenaka Makis.

Miverina miandalana ny asa eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Miasa toraka izany koa ireo orinasa samihafa sy ny sampandraharaha rehetra hita ao an-toerana. Nanomboka ny 13 febroary izany, entina hiantohana ny fitohizan’ny tolotra sy ny fiarovana ny asa, ao amin’ny seranan-tsambo.

Miisa 2 500 ny zana-kazo kesika novolena tany amin’ny distrika Antsirabe II, ny zoma 13 febroary teo. Teny amin’ny saham-pokonolona, ao amin’ny fokontany sy kaominina Ambano, no nanatanterahana izany. Nandray anjara tamin’ny hetsika ny fokonolona rehetra, miaraka amin’ny sampandaharaha ara-teknika ao amin’ny distrika Antsirabe II. Nitarika ny fotoana, ny solombavambahoaka voafidy tao Antsirabe II, ny mpiasan’ny Fitantanam-paritra DRAE Vakinankaratra, ny Ben’ny Ala, sns.

Partager sur: