Taorian’ny fikarohana nataon’ny manam-pahafena mahakasika ny famonoana renim-pianakaviana iray sy ny zanany lahikely vao herintaona, tany Amparihimanga Maritampona, disitrikan’i Tsiroanimandidy, ny zoma sy sabotsy lasa teo. Olona telo no voasambotry ny zandarimariam-pirenena any an-toerana amin’izao fotoana izao. Olona iray hafa maty voatifitry ny zandary rehefa nikasa hitsoaka. Disadisa sy fialonana teo amin’ny resaka tany lova ny antony nanaovan’izy ireo iny vono olona feno habibiana iny, raha ny fanazavana voaray. Voasambotra ny alahady 15 febroary 2026 tolakandro, ny telo tamin’ny voarohirohy. Nentina nanaovana fanadihadiana teny anivon’ny biraon’ny zandary izy ireo taorian’izay. Niaiky ny heloka vitany ny iray, izay nanao ny famonoana mivantana.
Ankoatra izay, olona iray hafa voatondro ho niray tsikombakomba tamin’ny famonoana. Nikasa hitsoaka ity farany rehefa nosamborin’ny zandary ary voatery nitifitra azy ny mpitandro filaminana. Vokany, lavo noho ny ratra mafy nahazo azy ny tenany. Marihina fa mpiara-monina amin’ireo olona lasibatra sy maty novonoina ihany no nahavanon-doza, raha ny angom-baovao voaray avy amin’ny zandary any an-toerana. Tsiahivina fa maty novonoin’ireo olon-dratsy ny renim-pianakaviana iray, rehefa nikasa hiaro ny zanany. Maty notapahan-doha ny ampitson’ny nahafaty io ramatoa io kosa ny zanany lahikely herintaona.
Mino




