Efa any Addis Abeba, andro maromaro, ny delegasionina malagasy hiatrika ny fihaonana an-tampon’ny Vondrona Afrikanina (UA). Mitarika azy ireo amin’ny fandresen-dahatra any an-toerana ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Razanamahasoa Christine.
Anisan’ny nandray ny minisitra tamin’izao diany any Addis Abeba izao ny filohan’ny vaomieran’ny UA, Mahamoud Ali Youssouf, omaly. Nambaran’ ny delegasionina miara-dia aminy, ny ambasadaoro teo aloha, Paraina Auguste, fa mbola naaton’ity rafitra iray lehibe misy antsika aty Afrika ity i Madagasikara amin’izao fotoana izao. « Ao anatin’ny adisisika sy fandresen-dahatra isika amin’ny alalan’ireo fihaonana samihafa mba hanafoanana ny sazin’ny UA nampiharina tamintsika, taorian’ny faharavan’ny fitondrana Rajoelina Andry », hoy izy. Nanteriny fa miezaka mandrindra sy mandamina ny hitadiavana tombontsoan’i Madagasikara izy ireo amin’izao fihaonana an-tampon’ny UA izao.
Etsy andaniny, nambaran’i Paraina Auguste hatrany fa nangataka ny hanatrika izao fivoriana izao ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, saingy tsy noraisin’ny eo anivon’ny UA izany fangatahany izany.
Voasakana Rajoelina
« Tsy navela hihazo ny any Addis Abeba koa ny fiaramanidina manokana saika hitondra azy hanatrika an’io fihaonana an-tampon’ny UA io », hoy ihany izy.
Nohitsin’ity ambasadaoro teo aloha, miara-dia amin’ny delegasionina malagasy any Addis Abeba, ity fa mitady hanakorontana ny fandaminana efa napetraka ny filoha teo aloha.
Tsiahivina fa efa nandray ny minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny fifandraisana maneran-tany avy any Djibouti, i Abdoulkder Houssein Omar, ny minisitra Razanamahasoa Christine, ny herinandro teo. Nambarany tamin’izany ny zava-misy eto Madagasikara sy ny fivoarana ary ny dingana irosoan’ny fitondran’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara. Eo koa ny dinika amin’ny hitohizan’ny fiaraha-miasa sy fifanakalozana amin’ny sehatra maro eo amin’ny firenena roa tonta. Nampita ny fiombonanam-pon’ny firenena Djibousianina ny minisitra Abdoulkder Houssen, manoloana ny fahavoazana mitranga eto amintsika, noho ny fandalovan’ny rivodoza nifanesy.
Synèse R.




