Nivoaka amin’ny fahanginany ny filoha nasionalin’ny antoko Roso ho an’ny demokrasia sy ny sosialy (RDS), Andrianirina Fetison. Nambarany fa tsy ny teny no manova. « Ny fomba fisainana no manova ny lalana », hoy izy raha naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena.
Nanteriny, tamin’izany, fa afaka mifampiresaka rehefa mipetraka ny fifampitokisana. Afaka mandray fanapahan-kevitra sarotra ihany koa rehefa eo ny fahamatorana amin’ny zavatra atao. « Izany no adihevitra ilaina, mialoha ny hetsika rehetra », hoy ihany izy.
Etsy andaniny, nitondrany ny heviny koa ny momba ny tsy fandriampahalemana, indrindra ny fitsaram-bahoaka sy herisetra samihafa tato ho ato. Nambarany fa mitady vahaolana samirery ny vahoaka rehefa tsy miasa ho azy intsony ny fanjakana. Efa miroso any amin’ny tsy ara-dalàna sy tsy ara-drariny izany ary mampidi-doza ho an’ny firenena, araka ny nambarany hatrany. « Tsy misy olona manana zo hanao fitsarana sy fanamelohana amin’ny tanany », hoy ihany izy.
Notsindriny fa tsy tokony hohadinoina koa ny antony mahatonga ny olona ho tonga amin’izany. Anisan’izany ny tsy fipetrahan’ny fitokisana amin’ny fitsarana sy ny filaminana. Ho azy, tsy ampy ny mandrara fotsiny raha te hisoroka ny herisetra sy habibiana ny rehetra.
« Ilaina ny fanjakana miasa. Mila lalàna ampiharina ary hafainganina ny fitsarana ka ao anatin’ny fifampitokisana avokoa izany rehetra izany », hoy izy. Anisan’ny fototry ny fiandrianam-pirenena ny fiarovana ny aina sy ny fahamarinana, araka ny nambarany.
Synèse R.




