FANTINA sy FINTINA

Nampitandrina ny rehetra, indrindra fa ny mpitondra, Raharinaivo Andrianantoandro, avy amin’ny Vondrona Ampandrana. Nambarany fa tsy mipetra-potsiny ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, manoloana ny raharaham-pirenena. « Mila mitandrina isika fa sao hiady an-trano eto », hoy izy.
Ho any Toliary indray ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, ny 21 febroary izao. Hifam­piarahaba noho ny taona vaovao amin’ireo mpikatroka Tim sy ireo mpomba azy izy amin’izany. Hatao ao amin’ny Kianja mitafo any an-toerana izany. Tsiahivina fa efa nialohavan’ny fidinana ifotony nataon’ny filoham-panjakana, izao hetsika izao.
Ho hentitra ny fametrahana ny fandriampahalemana ao Toamasina, araka ny nambaran’ny Praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama, omaly. Nambarany fa horaisina ny fepetra manoloana ireo mety ho fanararaotana ao anatin’izao voina izao. « Hatevenina ny fitandroana ny filaminana eny ifotony, hapetraka ny fomba fiasa mirindra », hoy izy.
Nandray ny toeran’ny maha tale misahana ny fanofanana mitohy, ” Formation continue”, eo anivon’ny Ivontoeram-pirenena ho fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana ifotony (INDDL), Rakotonierana Louis Berthin. Notanterahina, omaly, teny amin’ny birao, eny Alasora, ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny tale teo aloha.

Partager sur: