CHU Analakininina: Notoloran’Ambatovy gropy mpanome herinaratra

Nanohina ny antso na­taon’ny toeram-pitsaboana CHU Analakini­nina na Hôpitalibe ny orinasa Ambatovy, manoloana ny fa­hatapahan-jiro ao an-tampon-tanànan’i Toamasina. Nano­lotra gropy mamokatra herinaratra vaovao, manana tanjaka 17 KVA, hanamafisana ny fa­matsiana herinaratra, indrindra ho an’ny Sampan­draha­raha misahana ny fahasalaman’ny zaza ny orinasa, omaly.
Manan-danja tokoa ny fanampiana toy izao, indrindra amin’ny vanim-potoana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, satria, mikorontana sady manahirana izany ho an’ny sampandraharaha sy ny lafiny fotodrafitrasa. Tanjona ny hiantohana ny fitohizan’ny fitsaboana ireo zaza tsy salama, sady hanohanana ny mponina tena marefo amin’ny fotoan-tsarotra toy izao.
Tafiditra ao anatin’ny asa sosialy hanohanana ny lafiny fahasalamana ao amin’ny faritra iasany ity fanomezana ity. Maneho ihany koa ny finia­van’Ambatovy mandray anjara miaraka amin’ireo mpiray sehatra amin’ny fanomezana vahaolana azo tsapain-tanana amin’ireo laharam-pahamehan’ny mponina. Tsy mitsahatra mitondra ny anjara birikiny amin’ny ezaka fanarenana iombonana ny orinasa Am­batovy, mikaroka izay hahasoa ny fiainan’ny vondrom-piarahamonina ao amin’ny faritra iasany.

Njaka A.

Partager sur: