Tontosa soa aman-tsara, tetsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny sabotsy sy ny alahady lasa teo, ny fifaninanam-pirenena taranja tolona, sokajy U17, U20, U23 ary Senior, lahy sy vavy, nokarakarain’ny federasionina (FML). Nambaran-dRaveloson Mamitiana, filohany fa manana lanjany izy ity. Voalohany, hifantenana ireo mpilalao handrafitra voalohany ny ekipam-pirenena hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao any Alexandrie Egypte, ny 27 avrily ka hatramin’ny 4 mey 2026. Hiatrika izany fampivondronana izany ireo roa na telo voalohany isan-tsokajy arakaraka ny fahitan’ny teknisianina azy. Faharoa, hitiliana sy hanomanana ireo ankizy ao amin’ny U17, hanao ny lalao Olympika ho an’ny tanora any Dakar Senegal, ny 31 oktobra ka hatramin’ny 13 novambra ho avy izao.
Tratra ny tanjona ho an’ny federasionina satria tonga avokoa ireo ligim-paritra mandrafitra ny federasionina. Na teo aza ny rivodoza nandrava ny faritra Atsinanana, tonga niatrika ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity ry zareo. Ankoatra izay, nandefa solontena ihany koa ny ligy vaovao avy any Vakinankaratra izay nisy atleta 40 mianadahy. 250 ny isan’ireo mpikatroka niady izay ho lohany, tamin’ity.
Nohararaotin’ny FML ity fifaninanam-pirenena ity nanaovana tolo-tanana ho an’ireo traboina any Toamasina.
Tompondaka




