SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina ny sabotsy lasa teo ny fifaninanana “inter établissement”, andro faharoa, teo anivon’ny klioban’ny Makawa (Madagascar Karate-do Wado), taranja karate. Ankoatra ny fifaninanana, nisy ny fitokanana Seiko No Kai KaMa sy Body karate, nandritra izany. Tonga nanotrona izany, teny amin’ny Espace Queens Fanomezantsoa By-Pass, ny eo anivon’ny federasionina.

Niditra tamin’ny andro faharoa, ny sabotsy 14 febroary lasa teo, teny amin’ny ANS Ampefiloha, ny andiany fahatelo amin’ny fiofanana hahazoana ny “Diplôme d’animateur fédéral” (DAF), taranja karate. Fiofanana hiarahan’ny FKM misalahy amin’ny MJS sy ny ANS izay haharitra hatramin’ny 28 febroary izao.

Handray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena, taranja MMA, ny 28 marsa izao, ny Malagasy mpikatroka, Razafinjato Totiana Rinho. Tsiahivina fa vao avy nandrombaka ny tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny taranja tolona, sokajy latsaky ny 86 kg izy, ny faran’ny herinandro teo.

Partager sur: