Niakatra fampanoavana afakomaly, notanana vonjimaika any Antanimora avokoa, ireo efa-dahy tratra nangalatra tao amin’ny toeram-piasany tetsy Soanierana. Naharay fitarainana tamin’ny tompon’ny orinasa ny polisim-pirenena momba ny tranga fangalarana fitaovan’ny orinasa. Efa nisy ireo olona ahina ho nanatontosa ity halatra ity. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana taorian’izay. Mpiasa miisa efatra tao anatin’io orinasa io niaraka natao fanadihadiana. Tsy afa-bela izy ireo fa nahatrarana ireo entana halatra. “Bobines de cuivre” nilanja 620 kg io nangalarin’izy telo lahy io. Miisa telo ireo entana nangalarina ireo. Nahatsiaro ho tratry ny fatiantoka sy niharan’ny fivadiham-pitokisana avy amin’ireo mpiasa nitokisana ireo ny mpampiasa ka nahatonga azy ireo nikaroka ny marina. Sarona tany amin’izy efa-dahy avokoa ireo entana ireo. Tsy afaka nanda intsony ireto farany ary niaiky heloka. Nokasain’izy efatra mirahalahy hamidy antsokosoko ireo vy ireo. Zarainy ny vola vidiny aorian’izay saingy tsy tontosa ny teti-dratsy. Natolotra ny fampanoavana ny raharaha ka niafara amin’ny fihazonana vonjimaika any am-ponja.
Tsiferana R.




