Nokarohina nandritra ny telo andro  : Tovolahy 19 taona, maty natelin’ny rano teo am-pilomanosana

Hita faty tao anaty rano, tany Antanifotsy, omaly maraina, ny tovolahy 19 taona. Nilomano niaraka tamin’ny namany izy io ny sabotsy tolakandro ary tsy hita. Natao ny fikarohana azy ka izao hita faty izao.

Tovolahy iray 19 taona, hita faty natsingevan’ny reniranon’i Onive tany Andranomalaza, disitrikan’ Anta­ni­fotsy, faritra Vakinanka­ratra, omaly tamin’ny 9 ora maraina. Nilomano sy nilalao rano izy io sy namany tamin’ny sabotsy tolakandro lasa teo. Lasan’ny rano tampoka anefa ity tovolahy ity, ka nilentika. Nifamonjen’ireo namany, saingy tsy avotra ary tsy hita popoka nanomboka teo. Nan­deha nampilaza ny fianakaviana tany an-tanàna ireo namany taorian’ny loza. Niara-nisalahy nanao ny fikarohana ny fokonolona, na andro na alina. Notetezina avokoa ny faritra rehetra manamorona ny reniranon’i Onive tany an-toerana, izay toerana nitrangan’ny loza. Natao ny fampilazana ny zava-nitranga tamin’ny mponina manoloana izany. Nande­ha ny fikarohana ary tsy hita mihitsy izy raha tsy telo andro taty aoriana. Efa nitsingevana teny afovoan’ny rano izy no hitan’ny fokonolona.
Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny zandarimariam-pirenena any an-toerana. Efa simba ny razana ta­min’ny fotoana nahitana azy. Nahitana mangana ny lohany. Tombanana ho matin’ny ha­semporana ny antony nahafaty ity tovolahy ity. Hoentina hi­hazo an’Ambatosia, faritra Sofia, ny razana hanantanterahana ny fandevenana.

Maro ny tranga

Ankoatra izay, nahitana fatin-dehilahy iray ihany koa tany Melville, fokontany Anta­nambao, kaominina ambanivohitra Fanandrana, omaly atoandro tamin’ny 2 ora. Hita tao ambany tetezana ny razana. Nahatsikaritra izany ny fokonolona ka nampandre ny tomponandraikitry ny fokontany sy ny mpitandro filaminana. Raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana, noentin’ny rano ary natsipiny teny an-tanety ity faty ity. Tsy mponina avy any an-toerana izy io satria tsy nisy mahafantatra azy ny olona tany an-toerana. Tombanana ho olona avy any Saranasy sy Ambinanivalotra kosa anefa. Tonga teny an-toerana nizaha ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny zandarimariam-pirenena avy amin’ny zana-tobim-paritra ao Fanandrana. Nandrasana ao amin’ny kaominina ny razana mandra-piandry ny fianakaviany. Entanina hatrany ny ray aman-dreny mba hanara-maso ny zanany, amin’izao vanim-potoana fiakaran’ny rano izao, mba hisorohana ny loza tahaka izao.

Mino

Partager sur: