Hentitra ny fehin-kevitry ny fihaonana an-tampon’ny Vondrona Afrikanina (UA), natao tany Addis-Abeba, momba an’i Madagasikara. Nanamafy izany koa ny eo anivon’ny Sadc manoloana ny fanaraha-maso ny toe-draharaha eto amintsika.
«Ilaina ny fanatanterahana fifidianana. Hany lalan-tokana ahafahana manala an’i Madagasikara ao anatin’izao sazy izao », hoy ny tatitry ny fehin-kevitry ny UA tamin’izany, manoloana ny toe-draharaha eto Madagasikara. Nohamafisin’ny fivorian’ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta nivory tamin’izany fa ilaina hatrany ny miverina amin’ny ara-dalàna amin’ny alalan’ny fampanajana ny lalàmpanorenana manoloana ireo fiovan-drafitra na fiovam-pitantanana tsy nandalo fifidianana. Nohamafisina, tamin’izany, io foto-kevitra efa nijoroan’ny UA hatramin’izay io, ka mbola itazomany ny sazin’ireo firenena vitsivitsy aty Afrika, hatreto. Niompana amin’ireo krizy samihafa lalovan’ny kaontinanta afrikanina rahateo ny lohahevitra tamin’izao fihaonana an-tampony izao.
Etsy andaniny, nihaona manokana tao Addis-Abeba, ny sekretera mpanatanteraky ny Sadc, i Elias Magosi sy ny iraky ny UA, Mohamed Idriss Farah, manelanelana amin’ny famahana ny krizy politika eto Madagasikara. Mazava ny fitakian’ny Sadc dia ny amin’ny hamolavolana tondrozotra hitantanana ny Tetezamita. « Tanjona amin’izany ny hahafahana mizotra mankany amin’ny fitondrana tantanan’ny sivily sy ny fifidianana mangaharahara ary eken’ny rehetra », hoy izy ireo.
Fanavaozana ny Ceni…
Nomen’ny Sadc fe-potoana amin’ny faran’ny volana febroary koa ny mpitondra fanjakana ny hanaovana tatitra amin’ny firosoana ho amin’ny fanavaozana ny Repoblika, araka ny nambaran’ny avy amin’ny Sadc hatrany. Miray feo koa ny UA sy ity vondrona ara-toekarena misy antsika ity fa ilaina hapetraka ny fitoniana eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fanavaozana ny Ceni. « Tafiditra ao anatin’izany koa ny fanovana ny lalàmpanorenana sy ny hiatrehana ireo fifidianana ho avy », hoy ihany izy ireo.
Araka izany, miandry ny hirosoana amin’ny Tetezamita miaraka amin’ny sori-dalana izany izao ny eo anivon’ny Sadc sy ny UA.
Synèse R.




