FANTINA sy FINTINA

Hitsidika ny any Rosia ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, araka ny vaovao navoakan’ny Africa Intelligence. Hihaona amin’ny filoha rosianina, Vladimir Poutine, ny tenany ho fanamafisana sy fanitarana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Andrasana any Paris, aorian’izany, ka hihaona amin’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron.

Naneho ny heviny momba ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, ny filoha nasionalin’ny HVM, Rakotovao Rivo. Nilazany fa tsy mety mino io mpitondra teo aloha io fa efa tsy eo amin’ny fitondrana intsony. « Fihetsika manala-baraka amin’ny maha filoha azy teo aloha no nataony. Tsy nisy nanao tahaka azy ireo ny teo aloha. Fanakorontanana ireny aminay », hoy izy.

Tokony mba mandalo ao amin ny BNGRC avokoa ireo rehetra hanampy ny traboina, araka ny nambaran’ny filohan’ny Tia tanindrazana, Razafinjoelina Tahina. Nambarany fa na hampahafantatra fotsiny aza. « Atao izany mba hahafahan’ny BNGRC mandanjalanja ny fizarana. Misy fianakaviana efa nisitraka. Ao koa ireo tsy mbola nahazo », hoy izy.

Noraisin’ny mpitondra frantsay, tao amin’ny Lapan’i Elysée, ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, ny herinandro teo, araka ny vaovao navoakan’ny Africa Intelligence. Voalaza fa tafiditra ao anatin’ny fanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny roa tonta izany, ho fiarovana ireo fampiasam-bola frantsay eto amintsika.

Partager sur: