Mpiara-miombon’antoka voalohany amin’i Madagasikara ny Vondrona eoropeanina. Mitentina 370 miliara Ar ny famatsiam-bola vaovao hanohanana ny orinasa tsy miankina, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny famatsian-drano fisotro any Toamasina.
Natao sonia, omaly, teny Mahazoarivo, ny fifanarahana famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona eoropeanina (UE), ny primatiora ary ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanambola (MEF). Mitotaly 73 tapitrisa euros na 370 miliara Ar ity famatsiam-bola ity, misandrahaka amin’ny lafiny telo. Voalohany, ny Fandaharanasa tantsoroka ho an’ny varotra, entina hampiroboroboana ny toekarena (ACTE), mitentina manodidina ny 90 tapitrisa Ar (20 tapitrisa euros). Ao anatin’izany ny hanohizana ny fandaharanasa efa natao, toy ny Clim-Invest, ny Padeir, ny Incuboost, ny Better Work ary ny APE. Tanjona ny hanohanana ny orinasa malagasy, hanondrana entana any ivelany, ka hampihena ny fanafarana avy any ivelany.
Faharoa, ny hanatsarana ny famatsian-drano any Toamasina, mitentina 125 miliara Ar (24,5 tapitrisa euros). Nomarihin’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama, fa havokavoky ny toekaren’i Madagasikara i Toamasina, ka rariny raha hatao laha-
ram-pahamehana ny famatsian-drano. Fahatelo, ny Fandaharanasa Fiarovana ny tontolo mananaina hampandrosoana ny eny ifotony (PADIPAP). Mitentina 145 miliara Ar (28,5 tapitrisa euros). Miara-mamatsy vola amin’ny UE ity fandaharanasa ity ny Banky alemana BMZ, tanterahan’ny Fiaraha-miasa alemà Giz. Hamerenana amin’ny laoniny ny rohy voahary, hiarovana ny karazan-javamananaina.
Hentitra ny fanaraha-maso
Nomarihin’ny masoivohon’ny UE, Roland Kobia, fa ankoatra ny maha mpamatsy vola voalohany azy ireo eto amintsika, ny UE koa no mpanohana ara-bola tsy averina an’i Madagasikara. Taratry ny fanehoana ny anjara birikiny amin’ny lalantsaina fanavaozana izao fifanarahana vaovao izao. Nanome toky ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama, fa tsy arahi-maso hentitra ny fampiasana ireo vola ireo, mba tena ho tonga any amin’ny vahoaka maro an’isa, hatramin’ny 1 Ariary na 1 euro.
Njaka Andriantefiarinesy




