Atao eto Antananarivo, ny 17 hatramin’ny 20 febroary izao, ny hetsika Herinandron’ny fanapariahana ny fomba famokarana ara-pambolena sy fiompiana vaovao, ny fandaharanasa «Extension Week», eto Madagasikara. Tanjona ny hampiharana ny Paikadim-pirenen’ny foto-kevitry ny vaomiera ara-pamokarana (SNVA). Nambaran’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Rasatarimanana José Nirina, omaly, fa tanjon’ny fanjakana amin’ity paikady ity ny hampakarana ny fidiram-bolan’ny tantsaha. Hisy ny vaomiera hatsangana hiarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka (PTF) sy ny mpisehatra voakasika, toy ny Ivontoeram-pikarohana, ny sehatra tsy miankina, handrafitra ny tetikady hatao. Singanina amin’izany ny hamaritana ny fomba famokarana, ahafahana mampiakatra ny vokatra, amin’ny alalan’ny fampiasana masomboly voafantina sy mahazaka toetr’andro sy ny toe-tany isam-paritra. Mahazaka ihany koa ny aretina na bibikely mpanimba ny voly, ny hatsiaka na hafanana isan-toerana avy, sns. Toraka izany koa, ny hijerena ny karazana biby fiompy mahazaka ny toetr’andro sy ny toe-tany isam-paritra.
Njaka A.




