Faritana ao anatin’ny tetikasa Wash-Cap ny hanamafisana ny filana amin’ny fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny rano. Fanamby lehibe ho an’i Madagasikara ny hananana rafitra stratejika ho fampandrosoana ny sehatra sy hanatsarana ny fisitrahana rano fisotro madio. Hanohana ny tetika ny Unicef Madagascar sy ny Institut suédois de recherche environnementale.
Mahatratra hatrany amin’ny 500 tapitrisa dolara ny fatiantok’i Madagasikara amin’ny jono tsy ara-dalàna tsy voambara ary tsy voafehin-dalana (Pêche INN). Mbola mitohy ny ady atao momba izany mba hanohanana ny mpanjono madinika sy ny toekarena manga. Ireto farany izay kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny firenena. Marihina fa tafakatra 1,2 miliara dolara isan-taona ny fatiantoky ny firenena afrikanina amin’ny jono tsy ara-dalàna.
Nitondra mpizahatany miisa 625 ilay sambo lehibe Seven Seas Voyager, nandalo tao amin’ny Nosy Boraha. Nitondra rivo-baovao sy fanantenana ho an’
ireo mpisehatra amin’ny fizahantany ny fandalovan’ity sambo lehibe ity, noho izy manohana ny toekarena sy manampy mivantana ireo mpisehatra samihafa. Mbola maneho ihany koa fa misokatra amin’ny firenena hafa sy mandray vahiny hatrany i Madagasikara.




