TSELATRA

Vehivavy iray 35 taona, mpisoloky amin’ny alalan’ny vovo-bolamena sandoka, voasambotry ny polisy miasa ao Antaniavo, omaly. Voarebirebin’ny lehilahy miisa telo sy vehivavy iray, ny lehilahy 48 taona, omaly, tetsy akaikin’ny EPP Antanimena. Nandatsaka vola 5 000 Ariary tamin’ny tany ireo olon-dratsy, ary nahitana vovo-bola­mena tao anatiny. Nokasain’izy ireo hamidy 400 000 Ariary ny iray grama tamin’izany. Nanatona polisy ilay lasibatra ary vaosambotra tamin’izany ny iray tamin’ireo mpiso­loky.
Naiditra vonjimaika am-ponja any Moron­dava, afakomaly alina, ireo lehilahy miisa dimy, tratran’ny Poli­sim-pirenena nitondra sokatra radiata
« Astrochelys » miisa 646 tany Belo-sur-mer, ny 12 sy 13 febroary 2026 lasa teo. Fanondranana biby arovana ny antony hanenjehana azy ireo.
Nahitana zavatra hafahafa tsy fanta-pihaviana hita tao anaty ranomasina, any amin’ny kaominina Tambohorano, distrikan’i Maintirano, faritra Melaky, afakomaly. Efa tamin’ny volana desambra no nahitana azy io voalohany, tany avaratry ny Nosy Kimija, raha ny fanazavan’ireo mpanjono. Notazo­nin’izy ireo teo an-toerana ilay izy sao misy tompony tonga haka. Handray fepetra sy hametraka lamina manokana mahakasika ity singa tsy fanta-pihaviana ity ny tomponandraikitra any an-toerana.

Partager sur: