Hanentanana ny olona handray andraikitra, sy hanova toe-tsaina ary hitandro ny fahadiovan’ny tanàna ny fifaninanana fokontany madio. Hetsika atao mandritra ny roa volana, manerana ny fokontany eto an-dRenivohitra.
«Antananarivo madio, fahadiovana fototry ny fahasalamana, antoky ny fampandrosoana ny firenena », ireo ny teny nentin’ny minisitry ny Rano, ny fanadiovana sy fidiovana, Dr Razafindrianiaina Minosoa Anjaratiana Elia nampahafantarana ny fifaninana fokontany madio, omaly, tetsy amin’ny Havoria Anosy. Hetsika hanentanana ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay amin’ny fikajiana sy fitandroana ny fahadiovana, indrindra hanovana ny toe-tsaina ary hitaizana ny daholobe amin’ny fanadiovana ny tanàna. Haharitra roa volana ny fifaninanana, izay natao ho an’ireo fokontany 192 manerana an’Antananarivo Renivohitra. « Tanjona ny hitaizana ny mpiara-belona amin’ny fanadiovana ny tanàna ka hampandraisana andraikitra ny rehetra satria manomboka amin’ny tsirairay ny fiovan’ny toe-tsaina mba hananana tanàna madio sy maha te honina », raha ny fanazavana.
Manao antso avo ho an’ny rehetra, araka izany, ny minisitra mba hanajana ny fehezan-dalàna monisipaly.
Fanovana
Mifototra amina sehatra maro ny fanombanana, toy ny fitantanana ny fako, ny rano maloto, ny diky, ny ranonorana. Hisy ny fidinana ifotony ataon’ny ekipan’ny minisitera sy ny kaominina ary ireo mpiara-miombon’antoka rehetra hanaraha-maso akaiky ny fandraisan’ireo mpifaninana andraikitra. Ho fantenina aorian’ izay ireo fokontany 60 nahavita ny ezaka. Hotsongaina ao anatin’izay kosa ireo 12 mendrika ho tafakatra amin’ny dingan’ny famaranana, hifantenana ireo fokontany telo mendrika indrindra. Izy ireo izay hatao ho modely ho an’ny renivohitra ka hisitraka loka goavana sy mari-pankasitrahana.
Henintsoa




