Notolorana karazana fanampiana samihafa sy lelavola ireo mpiasan’ny Fitantanam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny BCMM any Toamasina, faritra Atsinanana. Tonga tany an-toerana, nanatanteraka izany, ny 18 febroary teo, ny sekretera jeneralin’ny minisitera. Nanampy amin’ny fifampitsinjovana avy tamin’ny minisitera sy ny rantsamangaika manerana ny Nosy ihany koa ny anjara biriky natolotr’ireo vahiny sri-lankais sy karana mpandraharaha amin’ny harena an-kibon’ny tany.
Natao omaly ny fivoriana momba ny tetikasa Hydromet-COI. Nanatanteraka azy ny Vaomiera nasionaly mpandrindra ny tetikasa, miantoka ny fandrindrana iraisan’ny minisitera samihafa, manazava ny fanapahan-kevitra ara-teknika, ilaina amin’ny fanaraha-maso ny toetr’andro, ny vinavina ara-tsiansa, ny fampitandremana mialoha, sns.
Mandeha ny fanamboaran-dalana eny amin’ ny Lalam-paritra RR5, mampitohy an’Ambohimanambola sy Masindray. Nisy fandrosoana ny asa tato anatin’ny herinandro, nanombohana azy. Misy ampahany natao « béton ». Entanina ny mampiasa lalana sy ny besinimaro hanaraka ny toromarika omen’ny tomponandraikitra eny an-toerana.




