Finday miisa 664 000 sy ordinatera 1 400 no amidy ho an’ny mpianatry ny Anjerimanontolo hahafahana mikirakira aterineto. Ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny Oniversiten’i Fianarantsoa no hanombohana azy.
Nosokafan’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kolonely Randrianirina Michaël, sy ireo mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana telo mirahalahy tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Radisson Blu Hotel Ambodivona, ny tetikasa fivarotana “terminaux numeriques” sy ny tetikasa fivarotana solosaina amin’ny vidiny mora ho an’ny mpianatry ny Anjerimanontolo. Ao anatin’ny tetikasa “Projet de connectivité numérique et énergétique pour l’inclusion à Madagascar” (Decim), no anatanterahana ity hetsika ity. Mitentina 24 tapitrisa dolara ny tetibola ho an’ny sokajy “Appareils numériques abordables”. Nanazava ny minisitry ny Fampiroboroboana ny niomerika, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra, Mahefa Andriamampiadana, fa : “ Hisy finday mifandray amin’ny aterineto miisa 664 000 hamidy amin’ny vidiny mora. Natokana ho an’ny vehivavy sy ny tovovavy ny 400 000 amin’ireo finday ireo ho fampihenana ny elanelana niomerika eo amin’ny lahy sy ny vavy ». Mpiara-miombon’antoka sivy no efa nanao sonia ny fifanarahana hanaparitaka ireo fitaovana manerana ny Nosy, ka anisan’izany ny Airtel Madagascar, Orange Madagascar, ny Yas Madagascar ary ny Paositra Malagasy. Antenaina hahatratra ireo faritra lavitra sy marefo izany rafitra izany.
Mbola lafo
Eo ankilany, natomboka ihany koa ny andrana fivarotana solosaina ho an’ny mpianatra eny amin’ny Oniversiten’ Antananarivo sy Fianarantsoa. Miisa 1 400 ny “ordinateurs portables” hamidy, mizara ho sokajy roa ka ho an’ny sampam-pianarana siantifika sy teknika (STEM) ary ho an’ny sampana hafa. Araka ny nambaran’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Rarivomanantsoa Ndaohialy Manda Vy fa “hanampy amin’ny fomba fizarana sy hanomanana fanitarana manerana ny Nosy ity dingana andrana ity ». Nambarany fa mbola lafo loatra ho an’ny ankamaroan’ny mpianatra ny vidin’ny solosaina eny an-tsena. “Manolotra amin’ny alalan’ny tetikasa fitaovana ahafahan’ny Malagasy an-jatony, arivony manorina ny hoaviny niomerika izahay. Mifameno ny fiantraikany ara-tsosialy sy ny fahamatorana amin’ny fanatanterahana”, hoy ny tompon’andraikitra misahana ny haitao ara-kajy mirindra ao amin’ny Fonds Decim, Andrianalimboahangy Julie. Ho an’ny solontenan’ny Banky iraisam-pirenena eto Madagasikara, Atou Seck fa , “dingana lehibe ho an’ny hoavy niomerika eto Madagasikara izao hetsika izao ».
Henintsoa




