Trafikam-bolamena sy devizy : Teratany espainola sy romanina voasambotra

Tra-tehaky ny fadintseranana malagasy ny mpivady, teratany vahiny, saika hanondrana devizy mitentina 17 750 Euros sy 242 000 dolara. Mbola nahavoasoroka fikasana hanondrana volamena milanja 5,8 kilao ihany koa izy ireo. Tany Nosy-Be sy teo Ivato no nitrangan’izany.

Tratran’ny mpiasan’ny Fadintseranana malagasy, ny 18 febroary teo, ny teratany vahiny mpivady, espanola sy romanina, saika handray ny fiaramanidina an’ny kaompania Ethiopian Airlines. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Ladoany (DGD), Randrianjafy Antoine, omaly, fa tamin’ny alalan’ny alika mpitsongo dia, an’ny Fadin­tseranana, no nahatrarana ny vola vahiny mitentina 17 750 euros sy 242 000 dolara tany anaty entan’izy ireo. Tsy nanana taratasy fanambarana devizy, izay tokony hatao raha mihoatra ny 1 000 euros na mitovy sanda aminy ary tsy mihoatra ny 10 000 euros farafahabetsany, tany amin’izy ireo. Anjaran’ny fitsarana no manohy ny fanadihadiana. Sazy miandry ireo teratany vahiny ny fandoavana lamandy misanda 50% amin’ny tomban’ny vola vahiny tratra.
Ankoatra izany, vehivavy, malagasy iray, tratra teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, ny alakamisy 19 febroary teo. Saika handray ny fiaramanidina Emirates ho any Dubai izy io. Milanja 5,809 kilao ny volamena tratra tany aminy, natao tanaty poketra. Tao amin’ny efitrano fiaingana no nosakanana izy ary natao ny fisavana fanindroany. Satria, efa nahazo loharanom-baovao mahakasika azy ny Ladoany, ka nandeha hoazy ny fisavana tany amin’ny toerana mahazatra (PIF). Nisy ny firaisana tsikombakomba tamin’ity vehivavy ity, nataon’ny olona ivelan’ny Ladoany.

Apetraka any amin’ny Banky foibe
Avo roa heny amin’ny sandan’ny volamena tratra ny lamandy miandry azy, ankoatra ny didy avoakan’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac). Apetraka any amin’ny Banky foiben’i Madagasikara ireo volamena tratra ireo.
Manentana ny olon-drehetra ny Ladoany, hanampy azy ireo amin’ny fanomezam-baovao toy izao, hiadiana amin’ny trafika sy ny kolikoly.

Njaka A.

Partager sur: