Ny tody tsy misy!

 

Mihazakazaka ny toe-draharaha mahakasika olom-bitsy na vondron’olom-bitsy misafidy ny lalana sadasada. Tsy mahagaga izany fa noho ny tombontsoa ifandrori­tana dia misy hatrany ny mpanoha-randrana sy mamadika namana. Tranga mateti-piseho eny anivon’ny fiarahamonina rahateo io tiatiakely sy manao rapadango, tsy mahay izay iafarany io.
Mahavelom-bolo ny tsy fisian’ny tsimatimanota. Ma­ha­finaritra ny fandraisana fepetra amin’ny olona maloto sy tsy mpanara-dalàna. Mila hamafisina kosa anefa ny fanajana ny etika ho an’ny sokajin’olona tokony ho modely sy fakan-tahaka. Zary kisarisary misy fitiavan-karena sy fitiavam-bola diso toerana no misy ka mampibirioka ny tan­jona iombonana momba an’i Madagasikara.
Tantara tsy mba fanadino, ary oha-pitenenana tsy azo tsinontsinoavina ilay hoe ny tody tsy misy fa ny atao no miverina. Tsy misy afa-bela amin’izany raha mbola olombelona. Efa mihaohao eo ambony loha ny loza sy ny valin’ ny ratsy atao, ny fotoana fotsiny no samy miandry. Na ela na haingana, misy farany ny zava-drehetra. Ny hery rahateo tsy mahaleo ny fanahy. Ny ratsy tsy maintsy mivaly ratsy.
Inona no ifampizarana izany ? Tena tsy mbola mahay maka lesona ny ankabeazan’ny olona tsirairay avy. Tena minia mikipy manoloana ny fandriky ny vola, manoloana ny hasina maha olombelona. Mivaralila ny an’ny sasany, tsy mitsinjo vodiandro ho merika sy ilay hoe kodiaran-tsarety. Tsy adala ny Ntaolo izay lalim-pandinihana raha nivoy izany. Koa asakasak’izay mitsambiki-mikipy.

r.r

Partager sur: