Rabetsivoh Claudia : Lany ho filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Fivmpama

Vonona hanohana sy hanandratra avo ny fandraharahan’ny orinasa madinika sy salantsalany ny filohan’ny filankevi-pitantanana vaovaon’ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy, Rabetsivoh Claudia.

Lany ho filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA) vao­vaon’ny Fivondro­nan’ny mpandraharaha malagasy (Fivmpama) Rabetsi­voh Claudia, taorian’ny fivoriambe nataon’ireo mpikambana ny talata teo. Izy, araka izany, no vehivavy mpandraharaha voalohany hitarika ny fikambanana hatramin’izay 55 taona nisiany izay. Handimby ihany koa an-dRakotondra­sanjy Rivo, izay lasa « Prési­dent d’honneur » amin’izao.
Vonona hanohana sy hanandratra avo ny fanevan’ny fandraharahana malagasy ny filoha vaovao. Nambarany fa fototry ny toekarena eto an-toerana ny mpandraharaha madinika sy salantsalany (PME) izay mbola miatrika fanamby goavana hahafahany mivelatra sy manitatra ny fihariany. « Manana adidy goavana ao anatin’izany ny Fivm­pama, hanasongadinana sy hampandrosoana ny PME eto Madagasikara ».

Vina napetraka

Hifantoka amin’ny fanamafisana ny toeran’ny Malagasy mpandraharaha, indrindra ireo vao miditra eo amin’ny sehatra, no anisan’ireo vinan’asan’i Claudia. Hampitomboina ny fahafahan’ny sehatra tsy miankina miara-miasa sy miara-mientana ary koa mandrindra miaraka ny asa isaky ny sehatra isam-paritra, raha ny fanazavany hatrany. Mila mifototra amin’ny fomba fiasa miompana amin’ny vokatra azo tsapain-tanana, ny fanakaikezana ny sehatra iasana eny ifotony ary ny fanamafisana ny efa misy no paikady apetraka hanatanterahana ny asa. Manampy izany fanamafisana ny vondron’ireo mpisehatra samihafa, ny fampivoarana sy fampiroboroboana ny vondrona isam-paritra, ny fanohanana ireo mpanao asa tanana mba hanamorana ny famokarana eo amin’ny sehatra indostrialy sy ny fampitaovana azy, ho fiarovana sy hampaharitra kokoa ireo tetikasa efa natomboka.

Henintsoa

Partager sur: