Tetikasa “FyVary2” sy “VaryAla”: Mitombo ny vokatra, voaaro ny tontolo iainana

Nampahafantarina omaly 26 febroary, tamin’ny fomba ofisialy, ny tetikasa “FyVary2” sy ny “VaryAla”, tohanan’ny Sampandraharaha japoney ho an’ny fampandrosoana (Jica). Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) ary ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (Min­supres). Miara-miasa amin’ny foibem-pikarohana eto an-toerana ihany koa, toy ny Fofifa sy ny Fifamanor, ny LRI, sns. Maharitra 5 taona (2025-2030) ny tetikasa, miasa eto Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro ary Boeny.
Nambaran’ny sekretera jeneraly ny Minae, Randriam­bololona Lambo Tiana Fabien, fa mifameno ireo tetikasa roa ireo. Tanjona ny hampitomboana 30% ny voka-bary, sady miaro ny tontolo iainana. Nanamafy izany ny Tale jeneraly ny haitondra ara-tontolo iainana, Razafindraibe Rina, fa hiarovana ny sahandriaka ambony ny VaryAla, ahafahana mampiroborobo ny fambolem-bary amin’ny alalan’ny FyVary2.
Mampiavaka ny tetikasa ny fampiasana ny teknika P-Dipping, hampiasana ny « phos­phate » amin’ny ketsam-bary, nefa kely fatra (2 kilao monja ho an’ny tanimbary 2 na 3 ara). Mihena ny zezika ampiasaina, mihena ny fandanian’ny tantsaha, nefa mitombo ny vokatra sady haingam-pitombo. Masomboly ampiasaina ny FyVary32 sy ny FyVary85.
Manohana amin’ny fametrahana laboratoara eto an-toerana ny Jica, hanaovana fanadihadiana sy fikarohana ara-tsiantifika.

Njaka A .

Partager sur: