VAOVAO TAMBATRA

Nampiasaina nanomboka ny 25 febroary teo, ny baka faharoa any Ifasy (RN6). Antony, efa fantatra isan-taona fa tsy azo ampiasaina ny lalana vahilava rehefa fotoam-pahavaratra toy izao, satria miakatra ny rano ka tsy maharaka ny fampiasana baka iray. Nomarihin’ny minisitry ny Asa vaventy, Razafindria­narivo Henri Jacob, tany an-toerana, fa tsy azo andehanan’ny fiara vaventy ireo baka roa ireo, satria vesatra 25 taonina ihany no zakany.

Natao jery todika sy nodinihina ny fiaraha-miasa hoavy, ho an’ireo mpisehatra ao anatin’ny vondrona CGIAR. Voakasik’izany ny lafiny fikarohana, hampitomboana ny vokatra, ny famokarana maharitra sy hanatsarana ny fidiram-bolan’ny tantsaha mpamboly sy mpiompy. Tanjona ny hanovana ny rafitra ara-pamokarana.

Hatao laharam-pahamehana ny fanarenana ny fotodrafitrasan’ny Dredd Atsinanana, simban’ny rivodoza Gezani farany teo. Voakasik’izany ny birao ao Bazarikely sy ny trano fonenan’ny mpiasa eny amin’ny Cité Canada. Nidina tany an-toerana nijery ny zava-misy ny minisitra Manesimanana Rafanomezantsoa, sady nanome tohana azy ireo.

Partager sur: