Hiditra amin’ny lalao ampahefa-dalana, anio, etsy amin’ ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fifanintsanana baolina kitra anaty efitrano ho an’ireo Oniversite, “Ma-Hery Futsal”, karakarain’ny Fief Mada. Anisan’ireo Oniversite tafita hiatrika izany ny IUM. Misongadina izy ireo anatin’ity fifanintsanana ity, satria nahita fandresena telo sy faharesena iray tao anatin’ny fifanandrinana efatra efa vitany.
Araka ny fanazavana azo tamin’ny mpitantana ny ekipan’ny IUM, omaly, resin’ny ISPM, tamin’ny isa 3 no ho 1 izy ireo, teo amin’ny lalao voalohany. Taorian’io, fandresena hatrany no azon’ity Oniversite ity. Nanamontsana ny UPH, 8 no ho 0, teo amin’ny fifanandrinana faharoa, ary mbola nahita fahombiazana teo anatrehan’ny UPH, 6 no ho 0, indray izy ireo, tamin’ny lalao fahatelo. Afa-bela tamin’ny ISPM koa ry zareo rehefa nandavo ity farany tamin’ny isa 3 no ho 2.
Mipetraka ho laharana voalohany ao amin’ny vondrona “D”, noho izany, ny IUM, ary manana vina ny haka ny amboara amin’ity “Ma-Hery Futsal” ity.
Fitia Randria




