Hotanterahina rahampitso, eny Antanikatsaka Itaosy, ny lalao miverina eo amin’ny FC Rouge sy ny ekipan’ny Fosa Junior Boeny. Fifanandrinana izay tafiditra amin’ny andro fahafiton’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra « Pureplay Football League (PFL) ». Mbola manala vela amin’io fihaonana io ny FC Rouge.
Mitohy hatramin’ny faran’ny taom-pilalaovana 2026 ny filalaovan’i M’Madi Mathias ao amin’ny klioban’ ny OC Orchidies, araka ny vaovao nampitainy. Noho ny fahaizany ary ny fampisehoany ny maha zava-behibe azy ao anatin’ny klioba no nahafa-po ity klioba ity ka nanohizana ny fifanarahana.
Notanterahina ny alarobia lasa teo, teny amin’ ny foibe 67 Ha, ny fivoriana ara-teknika amin’ny fifaninanana Élites U23, taranja basikety. Hetsika karakarain’ ny ligin’Analamanga izy ity. Fifaninanana hotontosaina ny sabotsy 7 marsa izao, araka ny fandaharam-potoana.
Hotanterahina anio, any Nyon Suisse, ny antsapaka hahafantarana izay ho mpifanandrina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra « Ligue des Champions 2026 ». Andrasan’ny maro, amin’izany ny ekipa izay hifandona amin’ny Paris Saint Germain, frantsay. Raha ny fantatra, iray amin’ny ekipan’ny FC Barcelone, espainola sy Chelsea, anglisy, no hifandona aminy.




