Namoy ny ainy tao anatin’ny indray mipi-maso ny renim-pianakaviana sy ny zanany vavikely vao telo taona. Tavela tao anatin’ny trano nirodana tampoka izy ireo, omaly maraina, tany Ampihadiamby .
Namoizana ain’olona indray ny fihotsahan’ny trano tao amin’ny fokontany Ampihadiamby, kaominina Ambositra Renivohitra, omaly. Nihotsaka ny rihana ambony tamin’ilay trano lehibe ka nahazo ny ilany atsinanana. Nitsoka kiririoka avy hatrany ny mponina manodidina vantany nahita ny fahavoazana. Nivoaka ny trano avokoa ny fokonolona ary niezaka nanavotra ireo olona tao an-trano. Telo mianaka no natory tao amin’io trano io nandritra ny alina. Izy mianaka niampy ny renibeny. « Natory tao ambony izy mianaka raha toa ka tao ambany rihana ny renibeny tamin’io fotoana io”, hoy ny fianakavian’ny niharam-boina. « Nofonosan’ny kidoro tao izy mianaka », araka ny fanazavan’ny solontenan’ny fianakaviany izay niezaka nanavotra azy ireo tamin’ny loza. Tsy voatsindrin’ny tany mihitsy, araka izany, ilay renim-pianakaviana sy ny zanany vao telo taona saingy tsy tana ny ainy. Ahina ho sempotra nandritra ny voina izy mianaka rehefa nofonosin’ny kidoro nandritra ny fotoan’ny loza.
Avotra
Nandritra ny voina, tsy nahina ny ain’ilay reniben’ny zaza niray trano tamin’izy mianaka. Nanao izay ho afany rahateo ny fokonolona ka nentina teny anivon’ny CHRR ao an-toerana ilay ramatoa. Ilaina hatrany ny fitandremana manoloana ny tranga tampoka toy ity niseho tao Ambositra ity. Matetika, mampirodana tampoka ny fotodrafitrasa toy ny trano sy ny tamboho ny fahanterany, ny fisian’ny ranon-tany manosika ny rindrina na koa fihotsahan’ny tany tsotr’izao noho ny rotsakorana be loatra. Tonga nankahery ny fianakaviana nilaozan’izy mianakakely ny tomponandraiki-panjakana miasa ao an-toerana.
Tsiferana R.




