Andry iankinan’ny toekarena malagasy ny fambolena. Mandrafitra ny 30% ny harinkarena izy, 40% ny sehatry ny fanondranana ary mampiasa ny 70% ny Malagasy. Na izany aza, antsakasaky ny karaman’ny ankamaroan’ny tokantrano ny vola azo avy amin’ny sehatra. Ity farany izay mbola antoky ny fidiram-bolan’ny ankamaroan’ny tokantrano, izay mbola miaina ao anatin’ny fahantrana.
Fahombiazana tanteraka ny fandaharanasa Afafi-Nord nandritra ny 96 volana niasany tao amin’ny faritra Diana, Sava ary Analanjirofo. Miisa 22 ny barazy vita, lakandrano mirefy 48 km no natao ary tanimbary 9 823 ha no voaaro sy voatondraka mandavantaona, nanatsarana ny fitantanana ny rano sy ny fambolena. Fikambanana tantsaha 161 nisitraka fampitaovana, fianakaviana mpamokatra 13 974 nahazo fiofanana ary vondrona mpitahiry vola maherin’ny 600 natsangana. Mitotaly 92 ireo ivontoerana ara-tsakafo nampandehanana ary trano fivoahana 4 616 naorina.
Efa manomboka ny fampiofanana ny tanora ao anatin’ny tetikasa Asan’Ai. Fandaharanasa ataon’ny MNDPT ho fanohanana ny tanora sy hanamorana ny fidirany eo amin’ny sehatry ny asa izy io. Miisa 220 ireo mpisitraka tafiditra ao amin’ny dingana voalohany. Tanjona ny hanatsarana ny fahaiza-manaon’ny tanora, hampitomboana ny fandraisan’anjaran’ny niomerika ao anatin’ny harinkarena faobe. Maharitra 15 volana ny fanofanana maimaimpoana ho an’ireo mpisitraka 1 300.




