Hotontosaina anio, ao amin’ny Kianja Mitafo Mahamasina, ny lalao manasa-dalan’ny fifaninanana ho an’ny Oniversite, «Ma-Hery Futsal», karakarain’ny Fief Mada. Hatao rahampitso kosa ny famaranana
amin’ity hetsika ity. Hotolorana vola 2 tapitrisa Ariary izay mivoaka ho mpandresy amin’izany.
Ny ekipan’i Senegal indray no miandry ny ekipa malagasy Ankoay, anio alina, amin’ny 12 ora, ao anatin’ny varavarankely faharoa, amin’ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany taranja basikety 5×5 Seniors atao any Dakar. Ny ekipan’ny Côte d’Ivoire kosa no miandry azy ireo ho amin’ny rahampitso.
Nanomboka omaly, tany Seychelles, ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka aty amin’ny ranomasimbe Indianina, taranja Volley-ball. Ny ekipan’ny GNVB, lahy sy vavy, ny Mama, sokajy lehilahy, ary ny Squad X, vehivavy, no misolo tena an’i Madagasikara amin’izany ka efa niakatra an-tsehatra, omaly, ny ekipa malagasy.




