Hifantoka manokana amin’ny sehatry ny fiompiana ny Drafitra fampiasam-bola ho an’ny fiompiana ho fanavaozana maharitra (PDSEM). Vina lavitr’ezaka, hanatsarana ny taranaky ny biby, ny fahasalamana, ny tsenam-barotra, sns.
Miditra amin’ny fanavaozana lehibe ihany koa ny sehatry ny fiompiana amin’ny alalan’ny fandaharanasa PDSEM. Nasongadin’ ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Rasatarimanana José Nirina, ny 25 febroary teo, fa mamaly ny olana rehetra sady maharitra, hatramin’ny taona 2030-2040 ity hotanterahina ity. Singanina amin’izany ny famokarana vilona amina velarantany 25 000 ha, toerana fisotroan-drano 1 500. Ho vitaina vaksiny ny 70-80% ny biby fiompy hatramin’ny taona 2030. Miisa 2 000 ny ombilahy izay ho ampanarahana hanatsarana ny taranaka. Mahatratra 30 000 ny ombivavy be ronona hafarana avy any ivelany, hampitomboana ny famokarana ronono. Miisa telo ny laboratoaram-pikarohana sy fitiliana hatsangana any amin’ny faritra ary iray eto Antananarivo. Hampitomboina 20% ny tahan’ny lalam-barotra, ka miisa 100 ny tsena maoderina haorina. Miisa 40 ny toerana famonoan’omby manara-penitra na abatoara hapetraka. «Htombo ny vokatra, hitombo ny vola miditra amin’ny tantsaha mpiompy ary hitombo ny harinkarena faobe », hoy ny minisitra.
Notsidrin’ny talen’ny Fifamanor Antsirabe, Raoelimanana Heritiana, fa « ho tsirim-panantenana lehibe ny PDSEM. Antony, nihena be ny isan’ny omby sy ny ombivavy beronono, ankehtriny, ka ho tosika ho an’ny tontolon’ny ronono ity fandaharanasa ity. Efa hita taratra sahady izay hitranga atsy ho atsy ».
Fiofanana
Ho an-dRakotozafy Andriamihaja, filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Malagasy matihanina amin’ny fiompiana (MPE), «manome sehatra manokana ho an’ny mpisehatra amin’ny fiompiana ny PDSEM. Antenaiko ny hanomezan-danja ny fampiofanana ny tantsaha madinika mba tena ho matihanina, ary manana traikefa amin’izany ny MPE, izay efa 30 taona ny nitsanganany ».
Njaka Andriantefiarinesy




