Manohana ny tantsaha mpamokatra ny fanjakana, hitondrana vahaolana fohy ezaka momba ny sehatry ny vary. Tonga tao Tsiroanomandidy, ny faran’ny herinandro teo,
ny minisitry ny Varotra sy ny fanjifana, Andriamadison Haingotiana, nifanakalo hevitra tamin’ireo tantsaha. Toy ny ao Imerintsiatosika sy Amparafaravola, tapaka fa vidian’ny orinasam-panjakana State Procurement of Madagascar (SPM) 1 500 Ar ny kilaon’ny vary akotry any amin’ny tantsaha raha raisiny 1 700Ar kosa izany eny amin’ny mpanangom-bokatra. “Tanjona ny hitondram-bahaolana manoloana ny fitotongan’ny vidim-bokatra sy hisorohana ny fatiantoky ny tantsaha ka hiverenan’ny vidin’izany amin’ny laoniny indray”, hoy ny minisitra. Mitotaly 50 taonina ny vary novidian’ny orinasa SPM ary manomana sahady ny fandrindrana ny amin’ny manaraka izahay, raha ny fanazavan’ny mpitarika fikambanana tantsaha, i Bovari Alain Patrick. Nisy ny dinika fifanakalozan-kevitra niarahan’ny minisitra sy ireo solombavambahoaka voafidy tany an-toerana. Hetsika nahafahana nampifanatona ny fijery eo amin’ny rafi-panjakana sy ireo mpisehatra samihafa. Manantena ny hitohizan’ny vahaolana entin’ny fanjakana ny tantsaha mba hahafahana mamoaka ny tahiry rehetra.
Henintsoa




