Anisan’ny hiasan’ny tetikasa FyVary2 sy ny VaryAla ny faritra Vakinankaratra, ahitana distrika enina. Tohanan’ny Fiaraha-miasa japoney ho an’ny fampandrosoana (Jica), iarahany amin’ny minisiteran’ny Fambolena (Minae), ny Tontolo iainana (Medd), ny fampianarana ambony (Minsupres) ary ny mpiara-miombon’antoka samihafa (Fofifa, Fifamanor, LRI. Maherin’ny 7 000 ny tantsaha efa nofanina momba ny teknika P-Dipping.
Nijoro vavolombelona Randrianjafy Gilbert, tantsaha any Fihaonana Talatakely, kaominina Andravola Ambatolampy, fa tsotra ny fampiasana azy. Mihena ny fandaniana ara-bola, satria kely fatra (2 kilao) ny zezika fôsifaty ilaina ho an’ny tanimbary 2 na 3 ara, vidiana latsaky ny 9 000 Ar, raha mahatratra 60 000 Ar ny zezika NPK. Mitombo hatrany amin’ny 30% ny vokatra. Nanamarina sy nanamafy izany Rasoazanamavo Voahangy sy Rasetison Dimby ary Valiherison, samy mpamboly any Ambatobe, kaominina Andriambilany Ambatolampy. « Ampianay zezi-pahitra na zezik’omby kely fotsiny ny P-Dipping, haingam-pitombo miohatra amin’ny fambolem-bary mahazatra, satria eo amin’ny 3 volana dia miaka-bokatra, sady be voa sy vaventy ny tahom-bary.
Manao fikarohana any Vakinankaratra, mahakasika ity teknikam-pambolena ity Razakarison Annie. Anisan’ny halalininy ny lafiny simia, toy ny tahan’ny Entona mangeja hafanana (GES) amin’ny voly vary, ny tahan’ny Oksizena, ny toetry ny nofontany, sns.
Njaka A.




