Mandray fepetra hentitra ny fanjakana rehefa misy ireny lazaina ho « kariera vaky », nefa tsy nisy fahazoan-dalana ireny. Tsy maintsy faritana ny faritra trandrahina (zone d’encadrement). Raisina an-tsoratra ny anaran’ireo mpitrandraka tsotra ary avondrona anaty fikambanana. Omena fahazoan-dalana ara-dalàna (Amea) ny fikambanana avy eo. Raha toerana efa misy fahazoan-dalana kosa, zo sy andraikitry ny tompony ny miaro azy.
Nisokatra nanomboka ny sabotsy teo ny lalana RR05 eny Ambohimanambola. Hahazo tombony amin’ity fahavitan’ny lalana ity ny mponina eny an-toerana sy ny any Masindray ary Ankadinandriana. Efa ela ny nanantenan’ny mpampiasa lalana ny nanamboarana azy, ary izao tanteraka izao.
Namangy sy nankahery ireo mpiasan’ny Lalamby, tratry ny lozam-pifamoivoizana an-dalamby tetsy amin’ny Sampana Vonjy taitra ny CHU JRA, ny 26 febroary teo, ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fitaterana (MTM). Nitarika izany ny talen’ny Kabinetran’ny minisitera, Razafimamonjy Jinot sy ramatoa Sekretera jeneraly, Rakotomalala Dina Hariniry.




