Niakatra fampanoavana ny sabotsy 28 febroary teo, notanana vonjimaika eny am-ponja, ny lehilahy iray voasaringotra tamin’ny halatra moto teny Andohatapenaka. Nangalarin’ny olon-dratsy ny moto scooter iray ny marain’ny 25 febroary lasa teo. Tsy nahatsikaritra ny fahatongavan’ny mpanao ratsy tao amin’ny toerana nisy io fananany io ny tompon’ny moto. Voatery nanao fitoriana miantefa amin’ny olo-tsy fantatra teny anivon’ny polisy, araka izany, izy. Na izany aza, nisy GPS ny moto izay nisy nangalatra. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Narahina tamin’ny alalan’io fitaovana manokana manaraka ny teknolojia io ny toerana misy ilay moto. Nidina ifotony teny amin’ny fokontany Andohatapenaka III izay notondroin’ny GPS ny ekipan’ny polisim-pirenena. Sarona ny lehilahy iray sy ilay moto. Natolotra ny fampanoavana ity farany ary naiditra am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy.
Tsiferana R.




