Nahitana fibontsinana ny lamosiny: Zazavavy 3 taona matin’ny valanaretina Mpox

Namono olona iray ny valanaretina Mpox na nendran-gidro teto Madagasikara. Zazavavy 3 taona namoy ny ainy teny anivon’ny hopitaly CenHoSoa Soavinandriana, ny alin’ny sabotsy tamin’ny 12 ora. Efa narary andro vitsivitsy izy io talohan’ny nitondrana azy tany amin’ny hopitaly, etsy Andohatapenaka io zaza io. « Efa ratsiratsy ny fahasalamany tamin’ny fotoana nahatongavany tao satria efa deshydraté, tsy afaka nisotro rano, tsy afaka nisakafo, na­nomboka sempotra ary efa nanao hypotermie (nidina ambany ny tahan’ny hafanan’ny vatany)”, hoy ny fanazavan’ny Pr Mamy Randria, mpi­tondra tenin’ny minisite­ran’ny Fahasalam-bahoaka, ra­ha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Mahamasina, omaly. Efa nahitana soritraretina mitovy amin’ny nendran-gidro io zaza io. Anisan’ny nahi­tana bontsimbontsina ny vatany, ny lamosiny. Tsy nahitana izany kosa ny teo ami­n’­ ny tarehiny.
Nanapa-kevitra ny hitondra azy teny amin’ny hopitaly Soavinandriana, ny sabotsy 28 febroary lasa teo ny fianakaviana. Efa nisy ny fitiliana nataon’ny mpitsabo nandritra ny fikarakarana sy fitsaboana ilay zaza. Nivaly ny alahady hariva ny fitiliana ary positif ny valiny.
« Mamindra ny valanaretina na amin’ny faty aza, koa ilana fitandremana be», hoy hatrany izy. Arahi-maso akaiky ny fikarakarana ny fianakaviany sy ny fiarahamonina mba hiarovana ny fahasalam-ba­hoa­ka sy hisorohana ny fiparitahan’ny aretina. Alavirina ny fitangoronana ary tsy tokony ho kasihina ihany koa ny razana. Efa nalevina omaly moa ny razan’ilay zaza.

Mino

Partager sur: