Manamafy ny finiavany ara-tontolo iainana ny orinasa MVola. Manana fandaharanasa natokana ho an’ny fambolen-kazo izy, ary nahazoany ny mari-pahalalana B Corp, nanomboka ny taona 2022 izany. Miara-miasa amin’ny orinasa Altera, ao anatin’ny vondrona Axian, ny MVola, amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny ala sy ny fikajiana ny tontolo mananaina eto Madagasikara, iarahana amin’
ny vondron’ny fiarahamonina eny ifotony. Lohahevitra noraisina ny hoe « Mamboly hazo ankehitriny, hiarovana ny ampitso ».
Mitotaly 52 500 ny hazo nambolen’ny MVola, tato anatin’ny 5 taona. Miisa 2 500 tamin’ny taona 2022, tamina velaran-tany 2 ha. Niakatra ho 5 000 tamin’ny 2023, tamina velaran-tany 4,6 ha. Nitombo ho 15 000 tamin’ny taona 2024, tamina velaran-tany 13,6 ha. Ary 15 000 ihany koa tamin’ny taona 2025 tamina velaran-tany 13,6 ha.
Niampy 15 000 ihany koa ho an’ity taona 2026 ity, amina velaran-tany 13,6 ha fanampiny. Tombanana ho 2 468 taonina ny entona karbona CO2 ho voaangona ato anatin’ny 10 taona. Fiaraha-miasan’ny vondrona Axian sy ny mpianatry ny kilasy CM2 eny ifotony.
Tanjona napetraka amin’ny taona 2030 ny hanatrarana zana-kazo voavoly miisa 120 000.
Mahatratra 150 ny mpiara-miasa amin’ity orinasa ity, iarahana amin’ny fianakaviana aman-jatony. Arahi-maso isan-taona, kojakojaina, soloina ny zana-kazo maty, arovana ny nofon-tany sy ny toerana ambolen-kazo.
Njaka A.




