FJKM Amparibe Famonjena : 25 taona ny Rantsana fialamboly sy fanatanjahantena (RFF)

Fanatanjahantena, kolontsaina, fanabeazana ho olom-banona, sns. Samy ahafantarana sy mampisongadina ny RFF Amparibe Famonjena avokoa ireo. Tsy holalovam-potsiny ny faha-25 taonany.

Sampana iray mikarakara ny tanora amin’ny fialamboly sy fanatanjahantena, ao amin’ny FJKM Amparibe Famonjena, ny Ran­tsana fialamboly sy fanatanjahantena (RFF). Feno 25 taona ny nitsanganany, izay nambaran-dRasolonjato Verohanitra, fa mijoro ara-dalàna eo anivon’ny foibe ny RFF ary manana andraikitra ao amin’ny fiangonana, amin’ny alalan’ny hira rehefa alahady fahefatra. Notsiahiviny fa anisan’ny nisongadina nandritra izay 25 taona izay, ny nahafahana nitory ny filazantsara tatsy Maurice sy ireo natao teto an-toerana. An­koatra izay, efa mahazatra ny RFF ny fitondrana am-bavaka ny firenena sy ireo mpanala fanadinana isaky ny 25 jona. Ny alahady 8 marsa ho avy izao ny ivon’ny fankalazana. Mialoha izay, hisy hetsika mandritra ity herinandro ity ka nisantarana izany ny omaly alatsinainy. Famelaberan-kevitra niarahana tamin’ny AFF ka niresahana ny lohahevitra hoe: ny tanora sy ny « intelligence artificielle » (IA). Hisy koa ny « zumba » misokatra ho an’ny rehetra, anio talata, ary ny tena miavaka, ny fanompoam-pivavahana amin’ny teny anglisy, hatao ny zoma ho avy izao. Nola­zain’Andriatsimaniry Océane Harmonie, fa hisy fizarana «certificat» ho an’ireo olona nanangana ny RFF, toa an’i Bessa, Henri Ratsimbazafy, Clim sy ireo hafa, ny alahady izao. Tenin’ny fankalazana ny faha-25 taona ny Isaia 40 ; 9 manao hoe : «Asandrato mafy ny feonao».
Fantatra fa anisan’ny namolavola mpanao fanatanjahantena sangany ny RFF. Anisan’izany i Miary Zo Rako­tondramboa efa tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny lalao tenisy. Tale teknikan’ny “padel” ankehitriny. Manana fiaraha-miasa akaiky amina fiangonana sy fikambanana samihafa ny RFF amin’ny fanatontosana fitetezam-paritra ataony.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: