Misy mahatsiaro ny « Damoiz’elle » ? Hiran’ny tarika Moajia anisan’ny be mpankafy. Mpamoron-kira, mpitendry ary nitarika ny Moajia i Jiary na i Jia tamin’izany fotoana. Efa aman-taonany izay no nijanona ny tarika, ary samy nanana ny lalany teny ireo mpikambana. Nangingina teny koa Ratefinanahary Johary na i Jiary, tao anatin’izay fotoana izay. Hafaliana ho an’ireo nahafantatra azy sy ny mozikany kosa no nahita an’ity mpanakanto ity niverina tsikelikely, ary anisan’ireo miketrika anatin’ny tetikasa RAR Project, izay vao nanatontosa hetsika ny faran’ny herinandro teo izy.
Vaovao lehibe kosa ho an’ireo mpankafy: hiverina an-tsehatra tanteraka i Jiary. Hanombohany azy ny « Ilay dihy…Lady », ny sabotsy 7 marsa izao, ao amin’ny La Rive Ampitatafika, manomboka amin’ny 6 ora. Ny tena andrasan’ny rehetra dia ireo sanganasan’ny tarika Moajia taloha, miampy ireo ketrika nandritra izay fotoana tsy nahenoana an’i Jiary izay. Tsy izy irery anefa, fa ny Jia Quartet no hanatontosa ny seho. Hisy namana, tanora manan-talenta, mifampizara ny fijeriny anatin’ny tontolon’ny zavakanto hanampy an’i Jiary. Hiavaka amin’ny seho mahazatra, satria hifangaroana zavakanto maro izany. Hisy ny fanehoana ny « dreadlocks », « ny tatoo », ny sariitatra, sns. Manditra izany koa no hampirantiany ireo sanganasan’i Jiary hafa, toa ireo vokatra vita amin’ny hoditra izay tena talentany tokoa, eo koa ny hosodoko.
Zo ny Aina




