SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina tao amin’ny Kianja mitafo Mahamasina, ny lalao famaranan’ny hetsika « Ma-Hery Futsal » andiany voalohany, izay nokarakarain’ny fikambanana Fief-Mada. Nandrombaka ny laharana voalohany sy nahazo ilay lelavola 2 tapitrisa Ariary ny Oniversite Isecom. Teo amin’ny vehivavy kosa, nahazo ny amboara ny Oniversiten’ny ISFPS Leader. Tsia­hivina fa nahatratra 22 ireo ekipa nandray anjara tamin’ity, ny 18 lehilahy ary ny 4 vehivavy.

Nanatrika ny fivoriambe ara-potoan’ny Federasionina afrikanina ny taranja baolina lavalava, Africa Rugby, izay natao tany Kampala Ouganda, ny faran’ny herinandro lasa teo, ny lehiben’ny rafitra federalin’ny Malagasy Rugby, Rakotomalala Marcel. Dingana lehibe ho an’ny Malagasy Rugby izany.

Nanatanteraka lalao fanomanana ny fifaninanana “intersection” ny eo anivon’ny seksionin’ny basikety Miarinarivo, ny faran’ny herinandro teo. Klioba 12 no nandray anjara tamin’izany. Nisy ihany koa ny fanentanana ireo klioba tsy mbola ao anaty rafitra mba hanara-dalàna, raha ny nambaran’ny filohan’ny seksionina.

Partager sur: