Nirefodrefotra ny basy tetsy Mahitsy, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata lasa teo. Notratrarin’ny zandary tao amin’ny toby iray fiereny ireo jiolahy tamin’io fotoana io. Raikitra ny fifanjevoana ary lavo nandritra izany ny roa.
Anisan’ny malaza amin’ny asa ratsy ataon’ny jiolahy ny eny amin’ny faritr’i Mahitsy sy ny manodidina. Ahitana tranga asa fanendahana, vono olona ary fanafihana mitam-piadiana eny an-toerana ka anisan’ny mampikaikaika ny mponina. Nanao ezaka, araka izany, ny zandariamaria miasa ao amin’ny tobim-paritra Mahitsy, hamongorana ireo olon-dratsy.
Nahatsikaritra fihetsika sy andian’olona mitoby amin’ny toerana iray ny mponina teny amin’ny toerana iray eny amin’ny kaominina ambanivohitra Mahitsy, ny alin’ny 02 marsa 2026, tokony ho tamin’ny 9 ora alina, lasa teo. Nampandre ny zava-nitranga tamin’ny zandary miasa eny Mahitsy izy ireo. Tonga ara-potoana ireto farany, izay efa nanao fisafoana teny amin’ny manodidina rahateo. «Natao ny fikarohana sy fanaraha-maso, tratra tao amin’ny toby fiereny ny andian-dehilahy maromaro», hoy ny fanazavana voaray tamin’ny zandarimaria miasa eny Mahitsy. Nandositra sy nikasa hanohitra ireto farany rehefa nahatazana ny mpitandro filaminana. Voatery nampiasa fitaovam-piadiana ny Zandarimaria ka lavo ny roa. Tafaporitsaka kosa ny ambiny.
Nahitana fitaovana halatra
Tsy nahitana fitaovam-piadiana izy ireo nandritra ny fisavana nataon’ny mpitandro filaminana azy roa lahy lavo ireo. Nahitana vilany roa sy finday iray kosa teny amin’izy ireo. Tsiahivina fa olona roa no lasibatry ny sinto-mahery teny amin’ny Fakobe, ny alin’ny alahady teo. Mbola mitohy ny fikarohana ireo jiolahy hafa amin’izao fotoana izao. Manoloana ny tsy fandriampahalemana eto an-dRenivohitra sy ny manodidina, mitohy ny ezaka ataon’ny ekipan’ny polisy sy ny zandarimariam-pirenena mba hamongorana ny mpanao asa ratsy. Entanina hatrany ny olom-pirenena hampandre ara-potoana raha mahatsikaritra zavatra hafahafa.
Mino




