Lehilahy roa naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, rehefa niakatra fampanoavana teny amin’ny Fitsarana afakomaly. Namaky trano sy nanao sinto-mahery tetsy Itaosy, Atsimondrano izy ireo, ny 26 sy 27 feborary lasa teo, anton’ny fanenjehana. Tratra namoaka fahitalavitra tao amin’ny tokantrano iray tao Sakambahiny Ambanilalana, ny iray. Raha tratra nanao sinto-mahery teny Marobiby kosa ny faharoa.
Namoy ny ainy afakomaly, ilay zazavavy kely vao 9 taona nisy nanolana ny herinandro lasa teo, tany Antasahalava fanambana, Vohemar. Notsaboina nandritra ny herinandro izy saingy tsy tana ny ainy. Marihina fa naolana sy nofiraina tamin’ny antsy ity zaza ity. Taorian’ny fikarohana nataon’ny manam-pahefana, voasambotra ireo roa lahy tompon’antoka. Hatolotra ny fampanoavana ny raharaha aorian’ny famotorana ataon’ny mpitandro filaminana azy ireo.




