Ekipa roa no nifanandrina tamin’ny dingana famaranana. Ny iray tamin’ireo no naharesy lahatra, ka hisolo tena an’i Madagasikara any amin’ny fifaninanana hainahandro iraisam-pirenena, « International Catering Cup 2027 ».
Ny Chef Herizo Jiair Rakotoniana eo amin’ny hainahandro, ary ny Cheffe Onja Feno Ramanantsoa eo amin’ny « pâtisserie ». Izy mianadahy ireto no nandrafitra ny ekipa 1, hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny dingana manaraka mankany amin’ny International catering Cup 2027 ». Tontosa ny alin’ny alatsinainy teo ny fifainanana teo amin’ny ekipa roa nifanandrina farany. Tamin’ny isa tery dia tery no nandrombahan’ny Ekipa 1 izany, satria dia 1.207 isa no azony raha toa ka 1.170 isa ny an’ny Ekipa 2. Samy niezaka naneho ny taletany sy fahaiza-manaony eo amin’ny sehatry ny hainahandro sy ny tontolony izy ireo, nandritra ny roa andro nifaninanana, tetsy amin’ny Marais Restaurant Ankorondrano.
«Mahafaly sy mampirehareha ny fananantsika an’ireto manan-talenta ireto. Miakatra ny talenta vao, ary marobe koa ny forona hasongadin’izy ireo, izay mampiavaka ny fahaiza-manao avy ay Madagasikara », hoy ny Chef Lalaina Ravelomanana. Ito farany izay masoivohon’ny « International Catering Cup » aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe indianina, no anisan’ireo mpitsara niaraka tamin’ireo matihanina amin’ny hainanandro namany. Masontsivana maro no napetraky ny komity mpitsara, izay tena nahasarotiny azy ireo : teknika, forona, akora ampiasiana, fanehoana fa indrindra ny fanajana ny fenitra iraisam-pirenena takin’ny fifaninanana avo lenta tahaka izao.
Rehefa vita ny fifaninanana nasionaly, fifaninanana aty Afrika indray ny dingana manaraka, ny 12 hatramin’ny 14 jona ho avy izao. Miakatra hatrany ny lentan’ny fifaninana sady mihamafy ihany koa. Rehefa tafavoaka amin’izay ny ekipa Malagasy vao hiatrika ny tena fifaninanana iraisam-pirenena lehibe, hotontosaina any Lyon, France, ny 19 hatramin’ny 21 janoary 2027. Tsiahivina fa anisan’ireo firenena manana ny toerany eo amin’ny resaka hainahandro i Madagasikara, ary tsy vao sambany no nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity. Tombony lehibe ho antsika hatrany ny fampiasana ireo akora fototra tsy misy hafa tsy eto Madagasikara.
Zo ny Aina




