«Voha vavahady ho eo an-tokotanin’ny sarimihetsika». Io indray ny lohahevitry ny zara haizatra am-pamoloana, izay hotontosaina anio amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny Efitrano Dox, Tranombokimpirenena Anosy. Hitarika ny dinidinika mandritra izany i Mina Ilarion, mpanoratra tantara sy manana traikefa amin’ny tontolon’ny sarimihetsika. Araka ny anaran’ny hetsika rahateo, natao ho fizarana haizatra sy traikefa, hanatsarana ny vokatra amin’ny sarimihetsika malagasy izany.
Voafidy ny birao vaovao hitantana ny Fikambanan’ny Teatra Malagasy. Lany ho filoha i Joro Rivomendrika. Filoha lefitra voalohany i Noelitiana Randraitsitohaina, raha toa ka filoha lefitra faharoa kosa i Solohery Ramamonjy. Mpitahiry vola i Liliane Rakotobe, mpitantsoratra i Michel Rakotoarisolo, sekretera voalohany i Mirana Ramasindrazana ary sekretera faharoa i Jessia Rakotozafy. Izy ireo indray no hitantanana ny FMTM, izay manana andraikitra voalohany amin’ny fanohizana, fampiainana ary fampitiavana ny teatra malagasy.
Hisy hetsika ho an’ny boky ho an’ny ankizy, eny amin’ny Ecole B Ampandrianomby. Ny sabotsy 7 marsa izao io, amin’ny 9 ora maraina ary tsy misy vidim-pidirana. Natao hampahafantarana sy hivarotana ireo boky ho an’ny ankizy, na fianarana izany na fialamboly isan-karazany. Hisy koa ny atrikasa mahakasika ny fanoratana sy ny fanaovana sary mandritra io. Arahina fampisehoana sy fitantarana angano ny fotoana, aorian’izay.




