TSELATRA

Lehilahy iray torana tampoka teny amin’ny toby fiantsonan’ny fiara iray tetsy Ambodivona, omaly atoandro. Raha ny fantatra, niandry sy nipetraka niaraka tamin’ ny olona tao anatiny tao izy. Saingy nianjera ary torana tsy nahatsiaro tena. Efa nentina novonjena haingana tao amin’ ny Espace medicale Ambodivona ny tenany taorian’izay.
Namoy ny ainy omaly ilay tovolahy 20 taona nisy namono tany Antanifotsy Fianarantsoa, ny alahady lasa teo. Nialana nenina tany amin’ny hopitaly izy saingy izao tsy tana izao ny ainy. Raha tsiahivina, namonjy fety fan­kalazana fitsingerenan’ny taona nahaterahana izy sy ny namany roa hafa. Tratra alina izy ireo ka nisy namono.

Partager sur: