Bred Madagasikara: Natsangana ny Tranoben’ny mpandraharaha

Herintaona izao ny nisian’ny banky Bred Madagasikara eto amintsika. Dingana vaovao no nataony satria notokanana, omaly, ny Tranoben’ny mpandraharaha (Maison des entrepreneurs), nantsoina hoe Tranoben’ny PME teo aloha. Vovonana iray entina hanohanana ny fampiroboroboana ny fandraharahana sy ny orinasa tsy ankanavaka, indrindra ireo madinika sy salantsalany (PME, TPME) izy io. « Tanjon’ny Bred Madaga­sikara ny hanatona akaiky ny mpanjifa sady maharitra, antony nananganana ny Tranoben’ny mpandraharaha », hoy ny tale jeneralin’ny banky Bred Madagasikara, i Thierry Charras-Gillot.
Hampitombo ny fiharin-karen’ny orinasa ity vovonana ity. Hanamora ny fahazoana famatsiam-bola, findramam-bola. Hanitarana ny seha-pihariana ihany koa. Hampitombo ny traikefan’ny orinasa, hampifandray ny samy mpandraharaha, sns.
Anisan’ny nisitraka ny fisian’ny Tranoben’ny mpandraharaha ny orinasa iray mpamokatra tantely. Notsoriny fa tombontsoa azony ny fiofanana maimaimpoana, ka lasa matihanina kokoa amin’ny asa izy. Afaka nifandray tamin’ny mpampiasa vola, nanitarana ny ambaindain’ny orinasa izy. Nambaran’ny minisitry ny Indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina, Rasoarahona Andriniaina, fa zava-dehibe ny fisian’ny Tranoben’ny mpandraharaha, satria, afaka manatona ao daholo ny olon-drehetra, manan-kevitra na dia tsy mbola nanangana orinasa aza. Ary rehefa tonga ato dia toroana hevitra mba ho lasa tetikasa azo vatsin’ny banky ara-bola.

Njaka A.

Partager sur: