Ravinala Airports-2025 : Nihoatra ny 1 tapitrisa ny mpandeha

Niavaka ny zava-bitan’ny orinasa Ravinala Airports ny taona 2025. Nambaran’ny tale jeneraly (DG), Daniel Lefebv­re, omaly, nandritra ny fiarahabana nahatratra ny taona ny orinasa, fa tratra ny fetrisa 1 tapitrisa. 1 066 715 ny isan’ny mpandeha ny taona 2025. Nahitana fitomboana 9% io isa io raha oharina ny taona 2024. Ho an’ny seranan’i Nosy Be, nihoatra ny 250 000 ihany koa ny mpandeha, izany hoe, nahatratra 265 924, nisy fitomboana 11%.
Nampisongadina ny taona 2025 ihany koa ny fanavaozana tanteraka ny efitrano lehibe « Hall », handraisana ny zotra iraisam-pirenena teo aloha, hikarakarana ny zotra nasionaly. Vita ny asa fanavaozana sy fanitarana ny arabe fiantsonan’ny fiaramanidina (Tar­mac), hanatsarana ny fikarakarana sy ny tolotra omena ny mpanjifa sy ho an’ny kaompania ana habakabaka.
Ho vita amin’ny avrily 2026 ny asa fanavaozana ny fotodrafitrasa ho an’ny zotra anatiny, miainga eny Ivato Antananarivo, hanana endrika maoderina sy manara-penitra iraisam-pirenena. Nitarina ho 8 354 m2 ny velaran’ny efitrano malalaka andraisana ny mpandeha, raha 3 123 m2 izany teo aloha. Ahafahana mikarakara mpandeha miisa 120 hatramin’ny 216 mpandeha isan’ora izany. Nohale­hibiazina ho 11 000 m2 ihany koa ny fikarakarana ny entana (Fret) raha 3 200 m2 taloha. Hatao tsy ho ela koa ny fanadihadiana hanavaozana ny seranam-piaramanidina Nosy Be.
Natolotra tamin’ity fotoana ity koa ny loka Best Staff 2025 ho an’ny orinasa Madagascar Handling Ground (MGH) sy ny Best Waiting time 2025, ho an’ny Polisy miandry ny sisintany sy ny Ladoany.

Njaka A.

Partager sur: