Traboina Toamasina : Tolo-tanana amin’ny alalan’ny mozika

Fenehoana fizarana sy fifanampiana. Miray hina amin’ireo niharam-boina vokatry ny rivodoza Gezani ny Airtel Money. Endrika miavaka ny hanehoany an’izany, amin’ny alalan’ny kanto sy ny mozika. Lohahevitra noraisina ny hoe « Tolo-tanana ho an’i Toamasina », ho firaisam-po miaraka amin’ireo fianakaviana traboina, hanarenana ny trano fonenana ravan’ny rivodoza. Manoloana izany, hisy ny fampisehoana ataon’ny tarika AmbondronA, amin’ny alahady 8 marsa izao, ao amin’ny Kianja Barea p.1, Mahamasina. Mampiavaka azy, hatolotra manontolo ho an’ny traboina any Toamasina ny vola azo amin’ny fampisehoana. Tanjona ny hanentanana sy ny hampirisihina ny fandraisana anjaran’ny mpankafia ny kolontsaina sy ny mozika ary indrindra ny daholobe. Azo atao ny mividy ny tapakila amin’ny alalan’ny Airtel Money, taratry ny fanakaikezana ny mpanjifa sady hanentanana ny fandraisana andraikitra amin’ny maha olom-pirenena. Nambaran’ny tomponandraikitra iray ao amin’ity orinasa ity fa hisy ny fanentanana ny rehetra ho tonga amin’io fotoana io.

Njaka A.

Partager sur: